<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Ph. Phillips</author>
<hymn_number>324</hymn_number>
<title>Ry Andriananaharinay FFPM324</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Andriananaharinay !
 Isaoranay ny Anaranao ;
 Nambininao ny tranonay
 Ka vita tsara ho Anao :
 (Feo 1-2)
 Fenoy, fenoy, fenoy
 Ny hamasinanao
 Ny tranonay ho tranonao.
 (Feo 3-4)
 Fenoy, fenoy
 ny hamasinananao
 Fenoy ny hamasinanao
 Ny tranonay ho tranonao.

[V2]
 Ry Jeso ! avy izahay
 Hitokana ny tranonao,
 Ny trano izay naorinay
 Ho voninahitrao anie :
 Fenoy, ..sns.

[V3]
 Avia, Fanahy Masina ô !
 Hitoetra eto aminay,
 Ny aizinay mba hazavao,
 Hanananay fo be fitia :
 Fenoy, ..sns.

[V4]
 Mba raisonao ny deranay
 Izay enti-mankalaza Anao ;
 Ny trano itokananay
 Ekeo tokoa ho tranonao :
 Fenoy, ..sns.</lyrics>
</song>